Dingam-piainana lalovan'ireo mpanao ny fomba malagasy ny "ala volon-jaza". Hatramin'ny taloha dia eo amin'ny fotoana handraisan'ny zaza ny fahatelon'ny volana nahaterahany no hanaovana io fomba io. Ara-pomba malagasy dia ny amin'ny vanim-potoanan'ny lohataona misandratr'andro fanatontosana azy, ny ankohatra izay dia izay andro hambaran'ny mpanandro. Ny ala volon-jaza dia azo atao ihany koa hoe ala sonia. Ny sonia dia ilay volo eo ambonin'ny sofina ka ny eo amin'ny havia no atao hoe sonia ratsy ary ny eo amin'ny havanana no sonia tsara...

Ny sonia ratsy no hesorina mialoha ary hatokana satria iny no hariana any atsimon-tanàna miaraka amin'ny fitaovana nakàna azy ; ny sonia tsara dia hararaka amin'ny sakafo hifandrombahana. Ireo zava-maniry ilaina amin'ny ala volon-jaza : fary raikibololona, ankondro vokatra na velon-dreny, ary ny famoa izay zava-niry mitovy endritra amin'ny vero. Ny zava-pihinana : Sonjo masaka voatetika madinika sy vary masaka ka ireto no hilaofana azy (toho maina, trafo-kena ary tantely). Ny velon-dray aman-dreny no manao ny fanapaham-bolo . Ny fanomezana hatolotra amin'ity fomba ity dia "vidim-bolo". Ireo dingana ankapobeny : ala volo, an-karombaka (zava-pihinana), manatsara ny ala-volo, an-karombaka zava-maniry.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...