Ny hoe "mivoaka itany" dia dingam-piainana ny zaza, fanombohan'ny fahavelomana sy ny fiainana eo anivon'ny fiaraha-monina sy ny tontolo iainana. Ny fitondrana vohoka tamin'ny malagasy dia 10 volana araka ny fanisàna andro malagasy. Herinandro eo ho eo ny fifanana ao anaty "komby" ary eo amin'ny havalon'andro no hirisoana amin'ny "mivoaka itany". Ny fomba hatao mandritra ny "mivoaka itany" dia haingoina ny olon-dehibe velon-dray aman-dreny hitrotro ilay zaza izay hotronon'ny zatovo lahy na vavy mitondra fitaovana samihafa. Raha lahy ilay zaza hoentina hivoaka itany dia zatovo lahy mitondra famaky sy tady mahazaka ary mizana no manaraka aoriana, raha vavy kosa dia zatovo vavy mitondra saronkarona no manotrona azy...

Ny haingo ho an'ny olona hitrotro ny zaza dia lamba landy, ary ilay zaza dia ravahana "vakoka". Ny atao hoe "vakoka" dia rojo volafotsy lehibe maso, izay nifandovana tamin'ireo ray aman-dreny teo aloha. Rehefa mivoaka ny "komby" ny zaza dia mitsidika ny efitranon-dray aman-dreny, avy eo mivoaka aty ivelany ka entina eo amin'ny "Fahitra" na "valan'omby" lehibe iray, ka eo no tsofina rano sy omena anarana ; vita izay dia entina miverina any an-trano honenany ka entina mihodidina in-telo ny trano vao ampidirina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...