Ny voambolana aorian'ny isa mahazatra dia mifono soatovaina daholo. Enina mangamanga, izany hoe midika ho hatsarana sy hasoavana ; fito paraky, misy hevitra hoe fikirizana sy finiavana ary fahaizana mandinin-tena ; valo tanantanana, ity farany ilay zava-maniry atao hoe "kinana" ny hevitra fonosiny eto dia ny firaisan-kina, fifanomezan-tanana ; sivy rongony, taratry ny fifamatorana sy fifandraisana eo amin'ny mpitondra sy ny hoentina, manasongadina ny hoe "antenimiera" ; Folo fanolehana na famolesana izay maneho fahaiza-miaina sy fifanitsiana eo amin'ny fiainana. 

Manomboka amin'ny iraika amby folo dia tanisa mitantitra ny mety ho toetra ratsy ambadiky ny teo aloha : Andriamaintybe ny papango ; kely mpitsoka farara ny takatra ; kely mpamafifafy ny vanja ; kely mpandatsaka aina ny bala ; lava tana-tsy miasa ny foza ; bodokely matavy ny toho...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...