Nametraka fepetra vaovao hifehezana sy hanavahana ny fako ahafahana manodina azy ho mbola azo ampiasaina indray ny ao Vatican.

Fepetra tafditra anatin'ny tetikasa fiarovana ny tontolo iainana, araka ny nambaran'andriamatoa Rafael Torniny, tompon'andraikitra iray misahana ny fikolokoloana ny zaridaina ao Vatican. Efa nihatra nanomboka tamin'ny voalohan'ny volana aogositra 2019 izy io ka isan'ny hita amin'izany ny fanasarahana ny fako ho amin'ny toerana efa voatokana araka ny karazany. Napetraka ho toa ny lalàna arahina sy hajain'ny rehetra monina ao Vatican izany fepetra izany. Efa nahitam-bokany tsara moa ny fampiharana io fepetra momba ny fifehezana sy fanavahana fako io ankehitriny. Ohatra amin'izany ny fanodinana indray ny menaka fihinana efa avy nampiasaina ka tsy hivrenana hanaovana sakafo intsony. Ahazoana ny antsoina hoe "biodiesel" izany menaka izany aorian'ny fanodinana azy. Teny filamatra rahateo ny hoe" Arakaraka ny anavahako no ahafako mampiodina kokoa ny toekarena". Ny fako moa no resahina amin'izay fanavahana izay.

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...