Nametraka fepetra vaovao hifehezana sy hanavahana ny fako ahafahana manodina azy ho mbola azo ampiasaina indray ny ao Vatican.

Fepetra tafditra anatin'ny tetikasa fiarovana ny tontolo iainana, araka ny nambaran'andriamatoa Rafael Torniny, tompon'andraikitra iray misahana ny fikolokoloana ny zaridaina ao Vatican. Efa nihatra nanomboka tamin'ny voalohan'ny volana aogositra 2019 izy io ka isan'ny hita amin'izany ny fanasarahana ny fako ho amin'ny toerana efa voatokana araka ny karazany. Napetraka ho toa ny lalàna arahina sy hajain'ny rehetra monina ao Vatican izany fepetra izany. Efa nahitam-bokany tsara moa ny fampiharana io fepetra momba ny fifehezana sy fanavahana fako io ankehitriny. Ohatra amin'izany ny fanodinana indray ny menaka fihinana efa avy nampiasaina ka tsy hivrenana hanaovana sakafo intsony. Ahazoana ny antsoina hoe "biodiesel" izany menaka izany aorian'ny fanodinana azy. Teny filamatra rahateo ny hoe" Arakaraka ny anavahako no ahafako mampiodina kokoa ny toekarena". Ny fako moa no resahina amin'izay fanavahana izay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...