Nifamotoana tao amin’ny katedralin’i Masindahy Jozefa any ABOU DHABI, tamin’ny alarobia teo, ny ankohonampiainana katôlika any amin’io firenena io.

Fihaonana nanamarihan’izy ireo ny tsingerintaona voalohany namangian’i Papa François an’ity firenena arabo ity. Nisy ny fiaraha-miombom-bavaka sy ny Sorona Masina notarihan’i Monseigneur Paul HINDER, vikera apostolikan’i Arabie atsimo. Maro tamin’ireo vahoaka nanatrika ny Lamesa notarihan’i Papa François, tamin’ny taon-dasa, no nanatrika sy nandray anjara tamin’io fanamarihana tsingerintaona tamin’ny alarobia io. Niarahan’ny rehetra niredona nandritra izany avokoa ireo hira rehetra natao tamin’io 5 febroary 2019 niarahana tamin’i Papa François io. Notsiahivin’i Monseigneur Paul HINDER tamin’izany ny fampianaran’i Papa momba ny hasambarana izay drafi-piainana ho an’ny kristianina.

[Miara-dàlana] Zoma 11 septambra 2026

• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...