Feno 150 taona tamin'ny alahady 2 febroary teo ny nanambaràna an'i Roma ho renivohitr'Italie ary nosokafana ofisialy omaly alatsinainy 3 febroary ny lanonana samihafa ho fanamarihana izany.

Nisy ny hafatra avy amin'i Papa François, mifandraika amin'izany, novakian'ny Kardinaly Pietro Parolin, natrehan'ny filohan'ny repoblika italiana Sergio Mattarella. Nivoitra tamin'io hafatra io ny nilazan'i Papa fa toeram-piantsonana ahitana famonjena ho an'ireo oloan sahirana sy ny mpifindramonina ary ny mpitsoamponenana i Roma. Tsy natao ho an'ny faharatsiana ity renivohitra italiana ity, hoy Papa tamin'nny hafany, fa loharanon'ny mahaolona. Notsiahiviny ireo taona maro nisian'ny fanjakazakan'ny NAZI sy ny nanatanterahana ny Kaonsily Vatikana faharoa ka namirapiratan'i Roma ho toa ny toerana niraisan'izao tontolo izao tamin'nny fifanakalozan-kevitra ekiomenika sy ho an'ny fandriampahalemana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 12 ôktôbra 2026

• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...