Feno 50 taona katroka androany 13 desambra ny nanamasinana ho pretra an'i Jorge Mario Bergoglio izay lasa Papa François ankehitriny. Fanamasinana, 4 andro mialoha ny nanamarihany ny faha-33 taonanahaterahany.

Ny famindrampon'Andriamanitra hatrany, hoy izy, no mamaritra ny fiainana maha-pretra azy. Mahafoy ny zava-drehetraary manokana ny fiainany ho an'ny hafa ny pretra, hoy hatrany ny Papa. Toa an'i Jesoa Mpiandry ondry tsara dia tokony ho olon'ny famindrampo,manompo ny rehetra ary akaikin'ny ondriny mandrakariva ny pretra, hoy Papa François manentana azy ireo. Manentana hatrany ny kristianina, indrindra ny mpino katolika, hanohana am-bavaka ny pretra koa izy. Tsy mangina fotsiny manoloana ny "habibiana" ataon'ny pretra sasany amin'ny fanararaotana i Papa François ary manamafy hatrany ny firaisampony amin'ireo izay lasibatr'izany. Tsy adinony koa anefa ny fisian'ny pretra maro mizaka ny vesatry ny heloka tsy nataony akory. Misy amin'izy ireny no mahafoy ny ainy noho ny asany any amin'ny faritra tsy vonona ny handray azy. Misaotra sy mankasitraka ary mankahery azy ireny  amin'ny ohatra asehony ny Papa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...