Natokana ho androm-pivavahana sy fifadin-kanina ary fanaovana asa soa ny andron’ny 14 mai, araka ny tolokevitry ny »Haut Comité pour la Fraternité Humaine » ka nankatoavin’i Papa François.

 Androm-bavaka tsy anavahana finoana fa anentanana ny rehetra handray anjara amin’izany, hitalahoana ny famindrampon’Andriamanitra, hanafaka ny olombelona amin’izao valanaretina covid-19 izao. Isan’ny miombom-po amin’ny fanatanterahana izany ny kristianina sy ny silamo any Liban. Tsy ny valanaretina covid-19 ihany, hoy Papa François no tokony hitalahoana amin’Andriamanitra ny fijanonany ny hanohanana sy ny ady koa izay azo sokajiana ho valanaretina mandrikapa olona an-tapitrisany isan-taona. Navoitrany tamin’ny Eokaristia Masina notarihany tao amin’ny lasapelin’ny Maison Sainte-Marthe, androany, ny momba izany.  

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...