Natokana ho androm-pivavahana sy fifadin-kanina ary fanaovana asa soa ny andron’ny 14 mai, araka ny tolokevitry ny »Haut Comité pour la Fraternité Humaine » ka nankatoavin’i Papa François.

 Androm-bavaka tsy anavahana finoana fa anentanana ny rehetra handray anjara amin’izany, hitalahoana ny famindrampon’Andriamanitra, hanafaka ny olombelona amin’izao valanaretina covid-19 izao. Isan’ny miombom-po amin’ny fanatanterahana izany ny kristianina sy ny silamo any Liban. Tsy ny valanaretina covid-19 ihany, hoy Papa François no tokony hitalahoana amin’Andriamanitra ny fijanonany ny hanohanana sy ny ady koa izay azo sokajiana ho valanaretina mandrikapa olona an-tapitrisany isan-taona. Navoitrany tamin’ny Eokaristia Masina notarihany tao amin’ny lasapelin’ny Maison Sainte-Marthe, androany, ny momba izany.  

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...