Niantso ny Kardinaly Odilo SCHERER, arsevekan’i SAO PAULO any Brésil i Papa François, nanehoany ny ahiahiny manoloana ny firongatry ny fifindràn’ny tsimokaretina coronavirus  sy ny fahafatesana aterak’izany ao amin’ny arsidiosezy iadidiany.

Miombom-po amin’ny Fiangonana sy ny vahoaka breziliana ary mitondra am-bavaka azy ireo manoloana izao krizy ara-pahasalamana goavana izany ny Papa. Notsaroany manokana ireo olona sahirana miaina an-dalambe sy tsy mba manan-kialofana ary tsy afaka mampihatra na manaraka ireo fepetra samihafa hisorohana ny fihanaky ny tsimokaretina coronavirus. Efa maherin’ny iray alina ankehitriny ny isan’ireo namoy ny ainy vokatry ny covid-19 any Brésil. Maherin’ny 5 alina sy iray hetsy ireo voamarina fa mitondra ny tsimokaretina. Mandà io tarehimarika io anefa ny manampahaizana siantifika maro any an-toerana, nilaza fa mety ho 15 na 20 avo heny amin’io 5 alina sy iray hetsy io ny isan’ireo marary any Brésil hatramin’izao. Vitsy ny fitiliana vita raha oharina amin’ny isan’ny mponina izay efa mahatratra hatrany amin’ny 210 tapitrisa. Manoloana izao tarehimarika izao dia voasokajy ho firenena faha-6 maneran-tany lasibatry ny coronavirus i Brésil.  

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...