Nampahafantarina tamin’ny 3 janoary lasa teo ny hafatr’i Papa François momba ny fankalazana ny andro erantany ho an’ny marary, andiany faha-28, marihina isaky ny 11 febroary.

Hafatra izay mifototra amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy manao hoe : « Mankanesa aty amiko ianareo izay mitondra fahoriana sy mavesatra entana fa hanamaivana anareo Aho » araka ny voasoratra ao amin’i Masindahy Matio. Maneho ny fiombonan’i Jesoa amin’ny olombelona mijaly sy mampalahelo io tenin’i Jesoa io, hoy ny Papa. Tsiahivin’i Papa amin’io hafatra io fa ny zo iaina no tena zo amin’ny mahaolona. Miseho amin’ny endriny maro ny fijaliana vokatry ny aretina, hoy ny Papa, ka anatin’izany matetika no hahatsapana ny fanaovana tsinontsinona ny mahaolona. Tena ilain’ny marary anatin’izany fijaliany izany anefa ny tambitamby sy ny fanehoam-pitiavana. Mila sitranina ny marary, hoy hatrany Papa François, saingy tsy tokony hadinoina koa ny fikarakarana azy mba hahazoany fahasitranana tanteraka amin’ny mahaolona.   

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...