Lohalaharana amin’ireo olona lasibatry ny herisetra any amin’ny faritra afovoan’i SAHEL ny ankizy.

Anarivony izy ireo no miaina sy mahita trangam-piainana ratsy ka zary manamarika ny fiainany, hoy ny talem-paritry ny UNICEF, Marie-Pierre Poirier, tamin’ny fampitam-baovao navoakany androany talata 28 janoary. Ankoatra ireo maty nisy namono dia maro amin’izy ireo no iharan’ny herisetra na nosarahina tamin-kery tamin’ny ray aman-dreniny. Manoloana izany, tafakatra hatrany amin’ny 5 tapitrisa ny isan’ny ankizy any Burkina Faso sy Mali ary Niger no mila fanampiana ho an’ny mahaolona amin’ity taona 2020 ity raha toa ka teo amin’ny 4,3 tapitrisa izany teo aloha. Isan’ny nampitombo izany ny herisetra, toa ny fanafihana mahazo ny sivily sy ny ankizy, ny fakàna an-keriny ary ny fampidirana azy ireny hitam-piadiana anaty vondron-tafika. Tany Mali, ohatra, nahatratra 571 ny herisetra goavana nahazo ny ankizy nandritra ny 9 volana voalohan’ny taona 2019, raha toa ka 544 izany tamin’ny taona 2018 ary 386 tamin’ny taona 2017. Maherin’ny 670.000ireo ankizy voatery nandao ny toeram-ponenany noho ny ady sy ny tsy fandriampahalemana amin'ny faritra misy azy.  

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...