♦ Lany tsy nasiam-panovàna sy tsy nasiam-panitsiana teny amin'ny Antenieram-pirenena eny Tsimbazaha, omaly 23 novambra ny LFI 2022... ♦ Be loatra ny fitsabahana amin'ny famerana ny  saran-dalana hoy ireo mpitatitra ka antony mbola mampiady hevitra ny mpitatitra sy ny fitondrana, mikasika ny sara-dalana... ♦ Marobe ireo entana, sakafo lany daty, efa maherin'ny 2 000 karazana, no tra-tehaka tany an-drenivohitr'i Tsiroanomandidy, nodorana omaly izany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...