♦ Andro eran-tany ho an'ny toeram-ponenana : Natomboka androany teny Isotry ny fandaharan'asa fanadiovana ho fanatsarana ireo toeram-ponenan'ny mponina eny amin'ny faritra iva... ♦ Tsy misy antony tokony hampiakatra ny vidim-bary mihitsy, na ho avy aza ny maitso ahitra, mbola misy tahirim-bary 100 000 taonina ao Toamasina... ♦ Hovelomina ny orinasam-panjakàna Madarail ho fanamaivanana ny fitanterana entana ho an'ny RN2, famatsiam-bola avy amin'ny banky iraisam-pirenena...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...