♦ Noresahan'ny filoha Malagasy Andry Rajoelina teo amin'ny fivorian'ny firenena mikambana ny momba ny fitakiana hamerenana amin'i Madagasikara ny nosy manodidina "Iles Eparses"... ♦ Manameloka ny tranga famonoan'olona tany amin'ny kaominina Marovitsika ny CNIDH. Tranga nahafaty olona 45 vokatry ny fifandonana teo amin'ny fokonolona sy ny dahalo nanafika azy ireo... ♦ Am-pandaminana ny fandraisana ireo mpianatra vao afaka bakalorea farany teo ny Oniversiten'Antananarivo. Hisy fivoriana manokana handinihina ny momba izany hoy ny Pr Ravelomanana Mamy...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...