♦ Mitaky amin'ny filoha ny tokony handraisana fepetra ny fisiana mpikambana ao amin'ny governemanta mahatonga savorovoro sy resa-be eto amin'ny firenena ny filohan'ny HCDDED... ♦ Nakaton'ireo mpianatry ny Oniverisite avy any amin'ny faritra Amoron'i Mania, mianatra eto Antananarivo ny biraon'ny CROUA eny Ankatso...  ♦ Velon-taraina ireo tanora 24 mianadahy nasain'ny orinasa Base Toliara niofana tany Kenya. Vita fianarana izy ireo anefa tsy misokatra indray ity orinasa ity...

 

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...