♦ Tontosa omaly ny fanamasinana sy ny fametrahana an'i Mgr Gabriel Randrianantenaina ho Evekan'i Tsiroanomandidy... ♦ Mitohy mandritra ny 15 andro indray ny amehana ara-pahasalamana, hoenjanina ny fampanarahana ny fepetra ara-pahasalamana tsy hiparitahan'ny valan'aretina... ♦ Ho tanterahana manomboka anio ka haharitra 04 andro ny fanadinana bakalôrea katôlika. Diôsezy 14 amin'ireo 21 manerana ny nosy no vonona hiatrika izany amin'ity taona ity... 

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...