♦ Hitohy amin'ny andiany faharoa ny fanaovana ny vaksinin'ny Covid-19 eto Madagasikara na teo aza ny fanambaràna nataon'ny masoivoho frantsay momba ny vaksiny Covishild... ♦ Miatrika ny fanadinana BEPC katolika nanomboka androany ireo mpianatra amin'ny taona fahasivy amin'ny sekoly katolika manerana ny nosy... ♦ Nitombo 2% mahery ny tahan'ny isan'ny mpiadina hanao ny fanadinam-panjakàna BEPC ho an'ny  Cisco Antananarivo-renivohitra raha oharina tamin'ny taona lasa... 

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...