♦ Manodidina ny 160 000 000 ireo zaza tsy ampy taona maneran-tany izay miditra amin'ny sehatry ny asa, ho an'ny taona 2020. Marihina anio ny andro eran-tany iadiana amin'ny fampiasàna zaza tsy ampy taona... ♦ Nanome toky ny hanatsara ny fikirakirana ny voka-pifidianana ny filohan'ny HCC Rakotoarisoa Florent... ♦ Hangataka fihaonana amin'ny ministry ny raharaham-bahiny momba ny Nosy malagasy ny antoko Otrikafo. Sarotra ny hahazoana ireo nosy ireo raha amin'izao hoy Me Ôlala... 

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...