♦ Namaly ny momba ny fanakanana indroa miantaona ny fiara nitondra azy, nanomboka tamin'ny sabotsy teo Andriamatoa Marc Ravalomanana androany. Nambaran'ity mpitarika ny mpanohitra ity fa tsy misy tombontsoa ho an'ny Malagasy ny fisakatsakanana atao azy... ♦ Nanao hetsika fitokonana androany ireo mpianatry ny Oniversiten'i Mahajanga, noho ny tsy mbola nandraisana ny vatsim-pianarana dimy volana. Efa manomboka ny fandoavana izany amin'izao, hoy ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony, manoloana izany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...