♦ Tsy azo hidirana ny Kianjan'Ambohijatovo, hoy ny Ben'ny tananan'Antananarivo Renivohitra. Tongotra mby an-dakana ny an'ny mpanohitra amin'ny tatitra hataon'izy ireo amin'ny sabotsy ho avy izao ka tsy mihemotra intsony... ♦ Nanolotra paik'ady amin'ny fandaminana ny fandoavana ny vatsim-pianaran'ny mpianatra, ny Ministeran'ny fampianarana ambaratonga ambony. Mitsipaka izany anefa ny mpianatra eny Vontovorona...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...