♦ Vita sonia, teny amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha, androany, ny fifanaraham-piaraha-miasa momba ny tetik'asa "Volobe Amont"... ♦ Mikatsaka fahaleovantena amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra ireo ben'ny tanàna mivondrona ao amin'ny FBF... ♦ Nivaha amin'ny ampahany ny olan'ireo tanora efa noraisina ho mpiasam-panjakàna teo anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana Teknika... ♦ Niteny an'ny vahoaka afrikanina tatsimo ary naneho alahelo manoloana ny firongatry ny famonoana sy ny herisetra atao amin'ny vehivavy any an-toerana, ny filoha Cyril Ramaphosa...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...