♦ Hiakatra fitsaràna eny amin'ny PAC 67Ha rahampitso ny raharaha Boeing 777 ka miisa 33 ireo olona voasaringotra amin'izany... ♦ Niala teto Madagasikara hihazo an'i New York, hanatrika ny fivoriana faha-81 an'ny Fihaonamben'ny Firenena Mikambana ny Delegasiôna malagasy tarihin'ny Filohan'ny Fanavaozana, ny Kôlônely Michaël Randrianirina... ♦ Efa nisy ny fandraisana an-tanana ireo mararin'ny valanaretina miparitaka any amin'ny Distrikan'i Ifanadiana, indrindra ny ao amin'ny Kaominina Ampasinambo... ♦ Nohamafisin'ny ao Pékin, androany, ny hivahinihanan'ny filoha sinoa Xi Jinping any Etats-Unis amin'ity herinandro ity...