• Mpitsara telo eo anivon'ny fampanoavan'ny PAC Antananarivo no naato tamin'ny asany. Tsy misy ambonin'ny lalana, hoy ihany ny fampitam-baovaon'ny Minisiteran'ny Fitsarana... • Manomboka ny fampiofanana momba ny fanangonan-kevitry ny vahoaka any ifotony amin'ny fikaonandoham-pirenena. Mpikamban'ny FFKM miisa 510 no nisantatra izany fampiofanana izany, etsy amin'ny CCI Ivato... • Natsahatry ny QMM ny asa famokarana fasimainty ao Mandena Tolagnaro. Nisy sakan-dalana nataon'ny andian'olona in-telo miantaona tato anatin'ny telo herinandro...