• Miroso amin'ny fanaovana dinidinika miaraka amin'ireo vahoaka eny ambany tanana, momba ny maha zava-dehibe ny firosoana amin'ny fanovana ny Lalam-panorenana ny IFR na ny Ivon'ny Fanavaozana ny Repoblika... • Hitondra am-bavaka amin'ny dingana mandritra ny fikaonandoham-pirenena ny FFKM, rahampitso tolakandro. Fotoam-bavaka hatao eny amin'ny Village Voara Andohatapenaka... • Dinihina mandritra ny roa andro amin'ny alalan'ny atrikasa eny amin'ny Carlton Anosy, ny marimaritra iraisana hametrahana ny modelim-pitantanana mifanaraka amin'ny zava-misy eto amin'ny firenena na isam-paritra momba ny tahirin-tsakafo eto amintsika...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...