♦ Tokony horavàna ny lalàna nanafoana ny fitsinjaram-pahefàna tena izy hoy Andriamatoa Randriamanefa Henri Charles. Io lalàna io no nambara'ity mpanao pôlitika ity fa tsy nampandroso ny Firenena... ♦ Nakarin'ny Banky foiben'i Madagasikara ho 12% ny tahan-jana-bola fototra amin'ireo Banky mpampindram-bola eto Madagasikara. Tanjona ny hifehezana ny sondro-bidim-piainana, izay niakatra indray tato ho ato... ♦ Olona 2 no namoy ny ainy, vokatry ny hain-trano tetsy Antsambilo, Kaominina Ivato, omaly. Tokan-trano 6 rava tanteraka, vokatr'izao loza izao... ♦ Mitombo ny fankahalàna jiosy any Royaume Uni...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...