♦ Tsy tokony hamoaka izay vaovao rehetra miparitaka anaty tambazotra serasera ny mpanao gazety, raha tena matihanina, hoy ny talen'ny serasera eo anivon'ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara... ♦ Mahazo vahana ny halatra tariby mitondra ny herinaratry ny JIRAMA any Antsirabe. Maherin'ny 7.000 metatra no nisy nangalatra tany an-toerana hatramin'ny volana janoary 2026 hatramin'izao.. ♦ Ny fametrahana rafitra matanjaka eny ifotony ihany no hampahomby ny ady amin'ny tsy fandriam-pahalemana, izay nahazo vahana tato ho ato saika manerana ny nosy, indrindra ny hala-jaza sy vono olona hoy ny Fivato...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...