♦ Nampanantsoina ny masoivohon'i Frantsa eto Madagasikara. Fampiantsoana noho ny fanasokajian'ny Firenena Malagasy ny mpiasa iray eo anivon'ny Ambasady Frantsay ho "Persona non Grata"... ♦ Natao andrana ny fikarohana nataon'ny Profesora Solofo Johnnis, hamadihana ny solika mavesatra trandrahana any Tsimiroro ho solika voadio, hamahàna ny fahatapahan-jiro lavareny eto Madagasikara... ♦ Vita ny fanitarana ny tranon-tseranana nasiônaly etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Notokanana tamin'ny fomba ôfisialy androany maraina izany foto-drafitr'asa izany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...