♦ Nahitàna tavoahangy nisy fofona solika nanakaiky ny fahamaizan'ny Rovan'Ambohidratrimo. Olona maro no efa notànana atao fanadihadiana, raha ny namabaran'ny Ministry ny serasera sy ny kolontsaina... ♦ Nisehoana trangana ambalavelona tao amina sekolim-pinoana iray tao Mahajanga omaly. Tovovavy mpianatra 50 isa no tratran'izany, ka nihiakiaka sy nihinjitrinjitra... ♦ Nanameloka ny fisiana miaramila tratra tamina fandrobàna vola ny Ministeran'ny Foloalindahy. Namoaka fampitam-baovao izy ireo fa tsy tompon'andraikitra amin'ny fihetsika ivelan'ny asa ara-dalàna nataon'ireo miaramila ireo...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...