♦ Hampiasana fitaovana manokana ny fifantenana ireo ministra handrafitra ny governemanta vaovao, ho fantatra amin’ny herinandro izao izany, araka ny nambaran’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika an’i Madagasikara, androany… ♦ Fahadisoan-kevitra ny an’ireo firaisamonim-pirenena mitaky ny handravana ny Ceni, na ny tsy hanoloana intsony ny mpikambana  maharitra ao hoy ny KMF/Cnoe ; mitsipaka izany hevitra izany ity kômity mpanara-maso ny fifidianana ity…  ♦ Nahatratra 3.811 Miliara Ariary ny volam-panjakàna very noho ny famoaham-bola tsy ara-dalana tamin’ny taona 2025, nanao tatitra ampahibemaso momba izany, androany, ny Fitsaràna momba ny kaonty...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...