♦ Mitohy ny fizaràna fanampiana ataon'ny Mgr Desiré Kardinaly Tsarahazana, Arsevekan'i Toamasina. Nahazo ny anjarany ny tao amin'ny tanànan'i Mahasoa, omaly... ♦ Hifaràna anio eny amin'ny Oniversite an'Antananarivo ny hetsika fanabeazana ara-bola ho an'ny tanora karakarain'ny ministeran'ny toe-karena sy ny fitantanam-bola. Isan'ny mandray anjara ireo fikambanana mampiasa ny ombona tahiry ifampisamborana GVEG... ♦ Fananganana ny governemanta vaovao, samy manolotra ny heviny ny mpanao politika. Ho an'ny lehiben'ny Faritra Bongolava teo aloha Andry Vorisoa, governemanta ahitana solontena isam-paritra no tokony hajoro...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...