♦ Manaiky ny didy navokan'ny filan-kevim-panjakàna manaisotra azy tsy ho ben'ny tanàna an'Antananarivo-renivohitra, Ramatoa Harilala Ramanantsoa... ♦ Tsy anatin'ny fahefan'ny solombavambahoaka amin'izao ny manolotra anaran'izay ho praiministra, mbola ny IRMAR mantsy no manana ny maro an'isa eo anivon'ny antenimieram-pirenena hoy ny filohan'ny antoko FIVOI... ♦ Natomboka omaly zoma 13 marsa ny vava asa, fandrodanana ny kianja masoandro (Colisée) anatin'ny rovan'i Manjakamiadana... ♦ Maratra mafy ny tavan'ilay "guide supreme" vaovao ao Iran Mojtaba Khamenei, raha ny fanambarana nataon'i Pentagon omaly zoma...