♦ Nanao antso mba hanomezan-danja ny fokonolona ny sehatra famerenan-kasina ny fokonolona ivondronan’ireo kristiana sy olobe, firaisamonim-pirenena sy fikambanana samihafa, hisy ny hetsika hotanterahin’izy ireo manoloana izany… ♦  Notolorana fanafody ho fanamafisana ny fisorohana ny valan’aretina MPox ny Fonjan’i Farafangàna… ♦  Misy ny fanadihadiana niarahana tamin’ny Profesora Panja Ramanoelina, filoha teo aloha teo an’ivon’ny oniversite an’Antananarivo., hiresahany manokana momba ny fitantanana ny trano fonenan’ny mpianatra ankehitriny...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...