♦ Tsy hionona fotsiny amin'ny tsenan'i AGOA fa hivelatra amina tsena any Europe sy Asie ary Moyen-Orient, isika hoy ny ministeran'ny Indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina... ♦ Novatsian'ny Fanjakàna Japonnais vola mitentina 68 miliara Ariary hanatsarana ny kalitaon'ny fisitrahana herinaratra ho an'i Toamasina amin'ny alalan'ny tetik'asa TATOM ny ministeran'ny Angovo sy ny akoran'afo... ♦ Mbola eto Madagasikara mihitsy ny valan'aretina MPox ka mila hamafisina hatrany ny fitandremana sy ny fisorohana indrindra ho an'ireo olona marefo... ♦ Miantso mba hisian'ny filaminana sy hanamafy ny vavaka amin'izao karemy izao ny Nonce Apostolique any Koweït...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...