• Voarafitra anaty fifanarahana politika ireo hevitra tapaka tamin'ilay fikaonan-dohan'ny antoko politika, ny tapaky ny volana desambra teo. Antoko maherin'ny zato no nanao sonia io fifanarahana io teny Mahamasina androany... • Mbola ho sarotra ny dingana ho lalovana vao hanan-kery tanteraka ny lalana manalava ny AGOA, ho an'ireo firenena afrikana hisitraka izany, ka isan'izany i Madagasikara, hoy ny mpahay fitantanana sy toekarena, ny Profesora Ralison Roger... • Hanatsara zavatra ny nametrahana Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anvion'ny orinasa JIRAMA, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH. Tokony ho hita manomboka izao ny fanavaozana ity orinasam-panjakana ity, ka ao anatin'izany ny fanovana ny fomba fitantanana...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...