• Ahiana ny fihotsahan'ny vato eny amin'ny vohitr'i Manjakamiadana, noho ny fiavian'ny orana tato ho ato. Nahazo fampitandremana miloko mena noho ny firotsahan'ny orana betsaka rahateo Analamanga... • Mpiasa miisa 800 eo anivon'ny kaompania Air Madagascar sy Tsaradia no rahonana horoahina, raha tsy manaiky ho mpiasan'ny Madagascar Airlines. Nampiseho ny tsy fanekeny izany ny ampahany tamin'ireo mpiasa, omaly... • Nampiaka-peo ny Randrana Sendikaly sy ny Sendika Miray Feo fa tsy nojerena ny sehatra tsy miankina tao anatin'ny roa volana. Nodiana ho fanina ny karaman'ny mpiasa tsy miankina, nefa nasondrotra 14 % mpiampy “prime” ny an'ny mpiasam-panjakana, hoy izy ireo...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...