• Tsy azo iverenana ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, izay milaza fa manohy ny asany avokoa ny Andrim-panjakana rehetra. Fitadiavan-tseza fotsiny ny an'ireo antoko politika mitaky ny handravana ny Andrim-panjakana rehetra misy ankehitriny, hoy ireo Loholona sy Solombavam-bahoaka... • Tsy mbola fotoana handraisana fanapahan-kevitra ny hamerenana ny Nosy manodidina izao, fa miandry izay Filoha vaovao voafidim-bahoaka, afaka taona vitsivitsy, raha ny namabran'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Siteny Randrianasoloniaiko... • Tokony hahitsy amini'zao fotoanan'ny fanavaozana izao, ny lalana mifehy ny fiarovana ny zon'ny mpanjifa eto amintsika, hoy ny PMH, Mpanjifa Miray Hina...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...