• Natolotry ny PNUD, fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana, ho an'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra, ny tatitra ahafahana mandrefy ny fahavononan'i Madagasikara hanatanteraka ny fivadihana amin'ny sehatra nomerika... • Mitaky ny hananganana ny tena tetezamita, ny TAFITA Tambabe ho an'ny fanorenana ifotony ny tanindrazana. Tokony horavana avokoa ny rafitra rehetra, hoy izy ireo... • Nosokafana ofisialy androany, ny taom-pambolen-kazo 2025-2026, teny amin'ny Fokontany Amboara, Kaominina Imerintsiatosika. Vinavinaina hahatratra 7 alina hekitara ireo toerana ho voavoly ala, amin'izao taom-pambolena izao...

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...