• Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy androany, tetsy amin'ny CCI Ivato tamin'ny alalan'ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notarihan'ny Filoham-piangonana efatra ao amin'ny FFKM, ny Fikaonan-doham-pirenena, dinika ho an'ny Fanavaozana an'i Madagasikara... • Isan'ny nahazo fanasana tamin'ity fanokafana ny fikaonan-doha ity, ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina, saingy tsy tonga niatrika izany izy. Nilaza ny mpanohitra fa tsy voaasa izy ireo, tsy tokony hisy fanavahana sy fitanilana ny dinika tahaka izao... • Nomarihana androny 10 desambra, ny Andro maneran-tany fiarovana ny Zon'olombelona, ka isan'ireo fikambanana nanamarika izany ny ONG HARI. Nisafidy ny nanentana ireo mpianatra teny Mahamasina izy ireo...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...