♦ Niteraka fanehoan-kevitra maro samihafa ny vaovao fa nahazo fanasana hanatrika ny fanokafana ôfisialy ny fikaonan-doham-pirenena ny filoha teo aloha Rajoelina Andry. Samy manana ny filazàny ny tompon'andraikitra. Misy ireo miteny fa marina ny vaovao, lainga kosa izany hoy ny mpitondra tenin'ny governemanta... ♦ Tsy mitsipaka fa isan'ireo handray anjara amin'ilay dinika ho an'ny fikaonan-doham-pirenena tarihin'ny FFKM ny vovonana IRMAR miara-dia amin'ny filoha teo aloha... ♦ Tsy afa-beka amin'ny kolikoly ny fifidianana sy ny fampielezan-kevitra tanterahana eto Madagasikara hoy ny Transparency International Initiative Madagasikara...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...