♦ Haharitra 18 ireo dingana fakàn-kevitra amin'ny dinika fanavaozam-pirenena mialohan'ny fandravonana, araka ny volavolan-kevitra naroson'ny FFKM... ♦ Mandrahona hiroso amin'ny fitokonana faobe ny mpiasan'ny Madarail rahampitso. Nilaza ho tsy afa-po tamin'ny famaliana ny fitakiany izy ireo tamin'ny fihaonana tamin'ny Ministeran'ny Fitanterana omaly... ♦ Efa nisy ny tamboho nirodana amin'ny toerana avo ao an-drenivohitra, vokatry ny orambe nisesisesy tato ho ato. Miantso ny rehetra ho mailo ny kaominina Antananarivo amin'izao fahavaratra izao... ♦ Nilaza ny filohan'i RDC omaly fa tsy nohajain'i Rwanda sahady ny fifanarahana fampitsaharana ady...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...