• Tokony omena sehatra amin'ny fanapahan-kevitra ny tanora amin'ny fanavaozana ny firenena. Nasongadina izany amin'ilay famelabelaran-kevitra niresahana ny fampandrosoana teny amin'ny UCM Ambatoroka... • Maromaro ireo fitokonana tao an-drenivohitra androany, noho ireo fitakiana samihafa. Nihetsika indray ny mpivarotra amoron-dalana, nitokona koa ny sendikan'ny mpiasan'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony... • Tsy eken'ireo mpiasan'ny Madarail ny hivarotana tsikelikely ity orinasa ity amin'Andriamatoa Mamy Ravatomanga. Niroso tamin'ny fitokonana nanomboka androany ireo mpiasa, tamin'ny alalan'ny filanjana sora-baventy teny Soarano...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...