♦ Mitarazoka ny fiasan'ny fitondràna amin'ny fikarakaràna ny fikaonandoham-pirenena. Taraiky loatra raha afaka enim-bolana izao vao hotanterahina izany, hoy ny Randrana Sendikaly... ♦ Hotohizana ny fanadihadiana momba ny raharaha Ambohimalaza. Tsy hijanona fotsiny amin'ireo olona 4 voatazona am-ponja ny raharaha fa hotsaraina ireo "Paoa sôsy" hoy ny Ministry ny Fitsaràna omaly... ♦ Misy valan'aretina mifindra haingana be any amin'ny Disitrikan'i Vohipeno amin'izao. Sokajian'ny mpitsabo ho nendram-boalavo izy io, na ambaran'ny any an-toerana hoe "masakalina"... ♦ Maherin'ny 200 ireo olona namoy ny ainy noho ny tondra-drano any Indonésie...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...