♦ Anatin'ny hetsika 16 andro hiadiana amin'ny herisetra mahazo ny tanora ny tetik'asa HAY ZARA hatramin'ny 10 desambra ho avy izao. Lohahevitra voizina "Ny herisetra ara-nomerika atao amin'ny vehivavy sy ny tovovavy"... ♦ Mitana anjara toerana lehibe amin'ny famaritana sy ny fitanisana ireo zava-misy eo ambonin'ny vohon-tany sy ny fifandraisany amin'ireo antotan-kevitra hafa momba ny mponina sy ny tontolo iainana manodidina ny fananana tahirin-kevitra ara-jeografia. Nisy ny atrikasa nandinihana ny momba izany... ♦ Nosatarina omaly ny fanadiovana faobe ny farihin'Antsimoparihy ao Ambohidratrimo...

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...