♦ Najanon'ny Filankevi-pilaminan'ny Vondrona Afrikana (CPS) ny sazy mampitoka-monina an'i Madagasikara eo anivon'ny Kaontinanta sy iraisam-pirenena. Miantso ny mpikambana ao amin'ny vondrona Afrikanina sy mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena hanohy ny fanohanana an'i Madagasikara isan'izany ny lafiny famatsiam-bola... ♦ Notanterahana ny sabotsy teo ny androm-paritra fanaovana vakisiny faobe ho an'ny alika sy ny saka iadiana amin'ny aretina haromontana ho an'ny Faritra Analamanga... ♦ Mila jerena vahaolana haingana ny resaka famatsiana herinaratra mba tsy ho io indray no fototra hampiongana ny fitondrana hoy ny TMP...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...