♦ Ny fanovan-drafitra, ny fanarenana ara-tsôsialy sy ara-toe-karena. Ireo no ifantohan'ny Fandaharan'asa ankapoben'ny Fanjakàna, izay novelabelarin'ny Praiministra teny Tsimbazaza ny antoandro teo... ♦ Tokony 1.500.000 Ariary ny karama farany ambany eto Madagasikara hoy ny FISEMARE. Nandrafitra kajikajy "Budget type", nahazoana izay famaritana fampiakarana karama izay ity sendikà ity... ♦ Sokatra 56 isa saika haondrana antsokosoko any Vietnam no tra-tehaky ny fadin-tseranana tao amin'ny seranam-piaramanidina Nosy-Be. Sidin'ny Ethiopian Airlines no saika hitondràna ireto biby malagasy, arovana ireto...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...