• Nijoro androany ny Governemantan'ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo, ahitana mpikambana 29. Omena roa volana ireo Minisitra vaovao, hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Kolonely Randrianirina Michaël... • Mitaky ny hametrahana olona ao aminy hisahana ireo andraikitra samihafa ao aminy ny Sendikan'ny Mpiasan'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Mitaky ny hanomezana ny zo feno tokony hositrahan'ireo mpiasam-panjakana mandeha misotro ronono, ny Sendikan'ny Mpiasam-panjakana Misotro ronono ao amin'ny Minisiteran'ny Fitantanam-bola... • Tsy mankasitraka intsony ny hitsabahan'i Lafrantsa amin'ny raharam-pirenena eto Madagasikara, ireo olom-pirenena Malagasy saro-piaro amin'ny fiandrianam-pirenena...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...