• Nahitana lesoka ny sehatry ny fanabeazana, indrindra ny mahakasika ny fanadinam-panjakana tamin'ny taon-dasa. Nifantoka tamin'izay indrindra ny hafatry ny Eveka eto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ho an'ity taom-pianarana vaovao 2025-2026 ity... • Raha tsy misy fiovana dia tokony ho tafajoro amin'ny alahady izao fara fahatarany ny Governemanta, tarihin'ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo... • Hiroso amin'ny fanakatonana ireo masoivoho samihafa eto Antananarivo, manomboka amin'ny alatsinainy izao, ireo mpiasan'ny orinasa JIRAMA, araka ny toromarika nomen'ny mpitarika ny sendikan'ny mpiasa...

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...