• Mbola hanadihady tsara ny zava-misy ny SADC, tao aorian'ny fiovam-pitondrana eto Madagasikara. Nihaona tamin'ireo Solombavam-bahoaka indray izy ireo androany, niresaka momba ny toe-draharaha politika eto amintsika... • Ahiana hikatso ny raharaha eny anivon'ny Fitsarana manerana ny nosy, noho ny fe-potoana nomen'ny Sendikan'ny Mpitsara. Ho tapitra rahampitso izany fe-potoana izany, hitakian'izy ireo ny hijerena ireo olana momba ny raharaham-pitsarana... • Miverina indray ny asan-dahalo mahery vaika, any amin'ny Distrikan'Antanimora Atsimo, Faritra Androy. Misy ireo manararaotra ny savorovoro politika eto amin'ny firenena, hoy ny Depiote voafidy tany an-toerana...

[Miara-dàlana] Zoma 16 ôktôbra 2026

• Namoaka fehin-kevitra momba ny toromarika hiatrehana ireo fanadinam-panjakana, ireo talen-tsekoly katolika eto Madagasikara, nandritra ny fihaonambe tsy ara-potoana natao tao amin'ny Diosezin'Ambositra... • Tontosa ny 13 sy ny 14 ôktôbra 2026 ny fivoriana fanao isan-taona nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana... • Hotanterahana rahampitso any Turin ny Sorona Masina fanirahana ireo Misionera Salezianina Don Bosco...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...