♦ Hampihatrano ny fanokafana ôfisialy ny taom-pianarana 2025-2026 eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo ny Vikaria Manodidina-Atsinanana. Fanokafana hatao eny amin'ny Kianjan'ny Bevalala-Malaho rahampitso... ♦ Nandray ny delegasiôna avy amin'ny SADC mamita iraka eto Madagasikara teny amin'ny lapam-panjakàna Iavoloha, omaly, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara... ♦ Hitsangana tsy ho ela ny governemanta hoy ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo nandritra ny famindram-pahefana teo aminy sy ny Praiministra teo aloha ny Jeneraly Zafisambo Ruphin. Lanonana teny amin'ny Lapam-panjakàna Mahazoarivo, omaly... 

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...