♦ Niantso ireo solombavambahoaka mba handray ny andraikiny amin'ny tena fanarenana ny filohan'ny antenimieram-pirenena raha niantso ireo tanora tsy ho tafiditra amin'ny fandrika pôlitika kosa ny filoha mpisolo toerana ny antenimieran-doholona... ♦ Tsy maintsy ho henjehina araka ny lalàna ireo fanetriben'ny firenena nanodikodina ny volam-panjakàna na harem-pirenena na eto an-tanindrazana na any ivelany, hoy ny fanambarana avy amin'ny Primatiora... ♦ Nalalaka tamin'ny foto-kevitra nijoroany ary manaja ny hevitra pôlitika hananan'ny tsirairay ny solombavambahoaka tamin'ny nanendrena ny praiministra hoy ny solombavambahoaka Imbiky Herilaza...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...